Fanatanjahantena : nihaona ny minisitra sy ny federasiona

Nisy ny fihaonan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Abdulah Marson Moustapha, tamin’ireo filohana federasiona, omaly. Nifankafantatra sy nifampihaino izy ireo nandritra izany. Nisy ihany koa ny fangatahana nataon’ireo federasiona mba hijerena akaiky sy hanohanana azy ireo, amin’ny fifaninanana rehetra karakaraina sy handraisan’izy ireo anjara, na ny eto an-toerana izany, na ny any ivelany. Tetsy ankilany, nanambaran’ny minisitra fa vonona ny hanohana ireo atleta izy. Ankoatra izay, nampanantena ihany koa ity minisitra ity fa atao laharam-pahamehana ny lafiny fotodrafitrasa ho fampandrosoana ny fanatanjahantena. Hojerena voalohany amin’izany ny kianja Barea, hatao izay hankatoavan’ny Fifa sy ny Caf faran’izay haingana an’izany.

Tsy maintsy eny ifotony ny fampandrosoana ny fanatanjahantena, ka tomponandraikitra avokoa, manomboka any amin’ny klioba, seksiona, ligy ary ny federasiona, araka ny nambarany hatrany.

Mi.Raz

Partager sur: