Rugby – Top 20 : resin’ny 3FAI tamin’ny mokafohy ny CEA

Tontosa ny alahady lasa teo, tao amin’ny Kianja Mala­cam Antanimena, ny andro fahadimy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, taranja rugby “Top 20”. Nisongadina tamin’ireo lalao rehetra ny fihaonana teo amin’ny 3FAI Ambalavao Isotry sy ny CEA Andra­no­manalina. Niady hatramin’ny farany ny lalao ary tany amin’ ny segondra farany vao nivoaka ho mpandresy, tamin’ny isa tery 21 no ho 20, ry zareo 3FAI. Nitarika hatrany am-boalohany ny CEA, tamin’ny alalan’ny baolina nentin-tanana sy “coup de pied de penalité”, matin’i Mika. Nitarika ta­min’ny isa 14 no ho 6 ry zalahy, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany.
Fizaram-potoana faharoa, mbola nanampy isa tamin’ny alalan’ny “hors jeu” indray ny CEA ka nitarika, 17 no ho 3. Taorian’io, nahatonga baolina nentin-tanana Ambalavao saingy tsy voatsara izany ka 17 no ho 8. Tsy nijanona teo fa mbola nahatsara “hors jeu” roa ihany koa ka lasa 17 no ho 14 ny isa teny amin’ny solaitrabe. Niezaka avy eo ny ekipan’Andranomanalina ka nahafaty “CPP” iray koa, izay nahatonga ny isa ho 20 no ho 14. Tany amin’ny segondra farany, niseho ny tsy nampoizina. Nahazo “mêlée” ny 3FAI saingy tsy nanosika ny CEA fa nanodina izany, ka nivadika ho “essai de pénalisation”. Nito­lefika tanteraka ny mpilalaon’ Andranomanalina, taorian’ izay.

Tompondaka

Partager sur: