Tapa-bolana taorian’ny fahavitan’ny lalao Olympika ho an’ny atleta salama ara-batana, hiditra an-tsehatra indray, manomboka anio, ireo manana fahasembanana. Hampiantrano izany hatrany i Frantsa. Haharitra hatramin’ny 8 septambra ny fihaonana, izany hoe, hifaninana mandritra ny 11 andro ireo atleta miisa 4 400 manerana ny vazantany efatra. Miisa 23 ireo taranja hiadiana medaly volamena amin’ity.
Tsy ataon’ny Frantsay ambanin-javatra ity andiany faha-17 ity fa hanasongadinany ny fahaiza-manaony toy ny lalao Olympika farany teo. Tsy ao anaty kianja no hanatanterahana izany fa ao amin’ny Place de la Concorde sy ny araben’ny Champs-Elysées, toerana mampalaza ny renivohitra frantsay sady fitsidihan’ireo mpizahatany. Ao no hilaharan’ireo delegasiona mpandray anjara rehetra.
Hanokatra ny fifaninanana rahampitso, ny fiadiana ny medaly volamena avy hatrany eo amin’ny “paracyclisme sur piste, paranatation, paratennis de table, paratae-kwon-do”.
Tompondaka