Tenisy – “African circuit U14” : nanao pao-droa Andriamaniraka Soa Ainatia

Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Club du Car, ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny “African circuit”, taranja tenisy ho an’ny sokajy U14, zazalahy sy zazavavy. Nisongadina ny Malagasy mpilalao, Andriama­niraka Soa Ainatia, izay nanao pao-droa. Voahosotra ho tompondaka ny tovovavy teo amin’ny olon-tokana, rehefa nandresy an’i Lara Faraj, teratany maraokanina. Lavony tamin’ny seta 2 no ho 1 teo amin’ny famaranana ity mpifanandrina taminy ity. Lasan’i Soa Ainatia ny seta voalohany (6/2) avy eo nosahalain’i Lara, tamin’ny lalao (6/3). Niditra tamin’ny seta fahatelo ka norombahin’i Soa Ainatia tamin’ny seta 10/4, izany.
Mbola lasany ihany koa ny teo amin’ny olon-droa miaraka, niarahany tamin-dRan­dria­nasolo Matei, rehefa nandavo an’i Lara Faraj sy i George Lebogang. Niala an-daharana teo amin’ny filalaovana ny seta faharoa, ireto farany rehefa nitarika tamin’ny seta 1 (7/5), i Soa Ainatia sy i Matei.
Ankoatra izay, resin’ilay nizerianina, Amasiani Chuk­wudubem, teo amin’ny famaranana tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0 ; 6/1), Razafindrazaka Ny Avo. Teo amin’ny olon-droa norombahin’i Ny Avo sy i Amasiani ny amboara rehefa nanilika an’i Amboara Rako­tomalala sy i Sandy Raba­rijaona, tamin’ny seta 2 (6/2 ; 7/6).

Tompondaka

Partager sur: