Ny 5 septambra ho avy izao, hanafika an’i Tunisie ny ekipam-pirenena, Barean’i Madagasikara, hifanintsana hiady ny tapakila hiatrehina ny « Can 2025 ». Nilaza ny mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô, fa ny 2 septambra ho avy izao no tokony ho efa any an-toerana ireo Malagasy mpilalao.
Manoloana ny resaka mandeha mahakasika ny fifantenana ekipam-pirenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Tunisie, taranja karate, nilaza ny filohan’ny Federasiona fa hisy fanambarana ofisialy hataon’izy ireo ny zoma ho avy izao, hilazana ny momba izany.
Hotontosaina anio, any Ambositra sy Ambatondrazaka, ny andro fahatelon’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny diviziona faharoa, « World Cola Ligue des Champions 2024 », taranja baolina kitra. Hifanandrina amin’ny AS Ste Anne, tompondakan’Analamanga amin’izany ny AS Comato Atsimo Andrefana, lalao hatao any Ambositra.
Hifanandrina anio, any Farafangana, ny Fandrefiala sy ny Fananolahy, ho an’ny lehilahy. Lalao izay tafiditra amin’ny fifanintsanana nasionaly taranja basikety, sokajy U20, lahy sy vavy. Tsiahivina fa ity fifaninanam-pirenena ity dia efa nanomboka ny 24 aogositrateo ka tsy hifarana raha tsy 1 septambra ho avy izao.