Barean’i Madagasikara : maratra i Hakim Abdallah

Araka ny fikarohana natao omaly, fantatra fa maratra ilay lohalaharan’ny Barea de Madagascar, Hakim Abdallah. Andrasana izay fanapahan-kevitra raisin’ny mpanaza­tran’ny ekipam-pirenena Barea, Rakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô, mahakasika izany. Tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao nan­tsoin’ny Coach Rôrô hiatrika ny andro voalohany sy faharoan’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hanaovana ny “Can 2025”, izay hatao any Maroc, i Hakim Abdallah. Ny andro voalohany dia hatao any Tunisie, ny 2 septambra ho avy izao, ary ny Aigle de Cartage Tunisie no hifanandrina amin’ny Barea amin’izany. Ny faharoa, mbola hotontosaina any an-toerana ihany, ny
9 septambra ho avy io, i Comores kosa no hifandona amin’ny Barea.

Andrasana, araka izany, izay mety hanolo ny toeran’ity Malagasy manana ny toerana mpanafika ity raha toa ka tsy raisin’ny mpanazatra ny tenany. Tsara ny mampahatsiahy fa manana mpilalao fiandry ny Barea, anisan’izany ry El Hadari sy i Njiva ary i Carolus, izay lohalaharana avokoa. Ampahafantarina ihany fa miisa 26 ireo mpilalao nan­tsoin’ny Coach Rôrô. Afa­komaly moa no nanainga teto Madagasikara ireo delegasiona voalohany ho any Tunisie.

Fitia Randria

Partager sur: