SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana, anio, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 20 taona, lehilahy sy vehivavy, izay hatao any Farafangana. Anisan’ny tafakatra hiatrika izany ny BC Est Atsimo Andrefana, rehefa nandavo ny Ascut, tamin’ny isa 45 no ho 30.

Nanatanteraka fihaonana sy fifampizarana eo amin’ny samy mpanazatra ny teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety, omaly, tany Antsirabe. Fotoana izay notarihin’ny Tale teknika nasionalin’ny FMBB, Razafi­arivony Solofohery Angelot. Tanjona ny hifanakalozana traikefa eo amin’ireo samy mpitantana.

Hikarakara fifaninanana, taranja Jiu-jitsu Breziliana, antsoina hoe “King of BJJ” ny klioban’ny Estrella. Fifaninanana natokana ho an’ny sokajy lehilahy sy vehivavy hahazoana loka goavana. Ny 15 septambra izao no hanaovana izany, eny Soanierana.

Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana, anio, ao amin’ny Kianja mitafo Vatofotsy Antsirabe, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy U20, lehilahy. Anisan’ny hifanandrina amin’ izany ny ekipan’ny GNVB sy ny Mami. Omaly no niatrika ity dingana ampahefa-dalana ity ny teo amin’ny sokajy vehivavy.

Partager sur: