Notontosaina omaly, tany Ambositra sy Ambatondrazaka, ny andro faran’ny dingana faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, diviziona faharoa nasionaly, “World Cola Ligue des Champions 2024”. Ny klioban’ny FC Theo Sava sy ny AS Fos Analanjirofo, no tafavoaka any amin’ ny “Poule des AS”, tao amin’ ny vondrona Ambatondrazaka raha toa ka mbola baraingo ny ao Ambositra.
Araka ny vaovao nampitain’ilay loharanom-baovao iray any an-toerana, mipetraka ho olana ny fitoviana isa eo amin’ ny AS Ste Anne Analamanga sy ny FCA Ilakaka, izay samy manana isa 10. Araka ny lalàna mifehy ny fifanintsanana, mihintsana ny mpilalaon’Analamanga raha toa ka ny fifanandrinana mivantana no jerena satria resin’ny FC A Ilakaka, 4 no ho 1, izy ireo, nandritra ny andro voalohany. Manantombo amin’ ny baolina tafiditra na “goal average” kosa ny AS Ste Anne. Andrasana izay fanapahan-kevitra raisin’ny federasiona mahakasika izany. Efa lasa mazava kosa ny FC Avenir du Sud Anosy.
Fitia Randria
Ireo vokatra rehetra
AS Fos (5) – (2) Tia Kitra
Jet Kintana (3) – (2) Sphinx Academy
FCA (2) – (1) AS Comato
FC Zoya (1) – (2) FC Theo
FC Jaboady (1) – (1) FC 119
AS Ste Anne (8) – (1) Avenir du Sud