DAKA AN-JORONY : Aza lany andro mitatasika

Ilaina fitiavana ny fanatontosana asa na zavatra iray eo
amin’ny fiainana. Na misy aza ny fikirizana rehefa tsy atao am-pitiavana izany, tsy tonga lafatra. Na izany aza, aleo ny asa no hitsarana ny olona fa tsy ny vavany. Misy karazany mantsy ny mpiasa; ao ireo mivarotra ny vavany. Raha resaka izy no lohalaharana. Ao kosa ireo tsy ahenoanao feo fa mihazakazaka mafy any amin’ny asa ataony. Ilay voalohany, matetika zara fa mahavita asa. Lojika izany, hoy ny mpitazana, satria laniny
amin’ny resaka ny fotoana. Ny faharoa indray mamokatra be, satria tsy manam-potoana hanaovana kabary be fa ny asa no mitsara ary hitsarana azy. Samy miasa izy ireo fa ny vokatra no tsy itovizany. Ahitana azy ireo koa eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena. Matetika ireo any amin’ny sisin-“touche” no maro amin’ireo mitatasika, hoy ny tanora. Be “kalizy” fa tsy misy raha vitany. Mivarotra olona am-pitsanganana ary matetika lazain’ny olona fa efa tsy “normal” na “manque vis”; araka ny filazan’ny fiarahamonina azy. Ny mahagaga, tena inoan’ny olona izy ireny ary misekoseko sy miseho mahalala vaovao mialoha. Ny vava ny azy no amidy. Misy lafiny mahatsara azy ireo, satria ny vo­lan’imaso tsy mba kilema. Tsy manao ankinafinafina toa varo-boanantsindrana izy ireny. Ataon’ny olona mpikarama an’ady, satria asaina tenenin’izy ireny izay zavatra tsy mety ataon’ny mpitantana. Tsy misy mahita kosa ireo tsy mba basy vava na belaoika. Tsindraindray heverin’ny sasany fa fahalemena izany. Na inona filaza, na inona fambara, tsy mba mikoropaka amin’ izany ireo miasa mangina. Ny zava-bita ny azy no vava miteny. Na be resaka na vitsy teny, ny asa atao ihany no hitsarana ny olona tsirairay ka aleo ilamina dia hisesy.

Tompondaka

Partager sur: