Nifarana omaly, ny andiany faha-28, “Tournoi de Capricorne”, taranja Judo, notontosaina tany Toliara, sokajy Poussins hatramin’ny Seniors. Ankoatra ny fifaninanana, notolorana grady, 7e dan, ny Maître Ashik Houssen Mamodaly, izay namorona ity “Tournoi de Capricorne” ity. Araka ny fantatra, nanorina ny klioban’ny Judo Toliara ihany koa izy na ny HMS, niova ho CCS taty aoriana. Efa mpikambana tao amin’ny ekipa nasionaly ary nandray anjara tamin’ny Jeux Olympiques tany Moscou ny Maître Ashik Houssen Mamodaly, ny taona 1980. Efa nitana ny andraikitra maha mpanazatra nasionaly sy Tale teknika nasionaly ary filoha teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Judo. Ankehitriny kosa, filoham-boninahitry ny FMJ izy, ankoatra ny maha mpitsara iraisam-pirenena azy. Raha hiverenana kosa ny fifaninanana, mpikatroka 375 no nifaninana nandritra ny 4 andro. Nisongadina kosa ny klioban’ny CJC sy NJA, raha ny sokajy Poussins sy Benjamins. Nisongadina kosa ny Esca teo amin’ny sokajy zokiny. Nahazo ny amboara ho an’ny fifaninanana ho an’ny ekipa kosa ny CJC Toliara.
Mi.Raz