Ilaina fitandremana ny fihinana sakafo, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fety izao. Anisan’ny fotoana ahitana trangana fanapoizanana ara-tsakafo izao, hoy ny mpitsabo. Manoloana izany, tsy tsara ny mihinana sakafo be menaka toy ny « mayonnaise » ary ny sakafo lany daty isan-karazany. Jerena tsara mihitsy ny datin’ireny sakafo amidy eny an-tsena ireny vao hohanina. Voakasik’izany, ny sakafo anaty boaty na anaty sachet toy ny “biscuit”, ny “sardine” sns. Fadiana ihany koa ny misotro zavatra misy alikaola miaraka amin’ny mananasy satria miteraka poizina betsaka amin’ny vatana ny fihinana izany. Fepetra raisina raha sanatria ka tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo ny olona iray. Mihinana charbon na atody manta avy hatrany ny marary mandrapahatonga any amin’ny mpitsabo, manampy betsaka ireo amin’ny famoahana ny poizina tafiditra any anaty kibon’ny olona iray, hoy ny mpitsabo nanontaniana. Manatona mpitsabo avy hatrany ny vahaolana tsara indrindra raha akaiky mpitsabo.
Mino