Mahafantatra tsara ny Aigle du Carthage, Tunisie, Raveloson Rayan. Nanambara ny fahitany ny lalao hidonana amin’ity ekipa ity, ny tenany.
Gazety Taratra (*) : Ahoana ny fahitanao ny ekipan’i Tunisie izay «favori» ary hilalao eto amin’ny taniny?
Raveloson Rayan (-): Marina fa «favori» i Tunisie ary efa nasehony izany. Ekipa goavana aty Afrika sy maneran-tany izy. Mendrika ny toerana misy azy amin’izao fotoana izao izany. Manana ireo mpilalao any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka malaza ka manana ny lenta ambony.
*Ilay fanatontosana ny lalao ivelan’i Madagasikara ve mametraka olana ho anao?
– Lalao hatao aty ivelany io ka hatrehina foana na inona hitranga eo. Tsara foana nefa ary fanirianay ny hilalao any Madagasikara, sy eo anatrehan’ireo mpijery izay mankahery hatrany. Izy ireo izay manosika sy manampy hahazoana fandresena.
* Amin’i Rayan ve, azo atao tsara ny mandresy an’i Tunisie?
– Tena azo atao tsara satria efa nanaporofo isika fa mitovy lenta amin’ireo ekipa goavana ary afaka mamoaka zavatra tsy ampoizina. Na inona vokatra hitranga, na fandresena na sanatria faharesena na ady sahala; raisina ho lesona sy fianarana. Ny tena zava-dehibe, fahafantarana hoe : Inona ny nahatonga iny vokatra teo iny ho enti-mivoatra.
* Fahitan’i Rayan ireo mpilalao vaovao hanatevina ny Barea?
– Mandray ireo mpilalao vaovao malalaka sy am-pitiavana ary manao izay mampahazo aina tsara an-dry zalahy aho. Tsy anjarako angamba ny hilaza ny fahitako azy satria izaho dia mijanona ho mpilalao fa ny tsara toerana hamaly izany dia ny federasiona sy ny mpanazatra.
* Manana hafatra ho an’ny Malagasy mpijery baolina ve i Rayan?
– Amiko manokana, mila fanohanana avy aminareo hahazoako manao ny asako. Matokisa anay, tohano ny Barea de Madagascar na inona zava-misy fa vonona hanao izay fara-herinay rehetra izahay, mba ho mendrika ny firenentsika.
Dinika nangonin’i Tompondaka