Fifanintsanana any Tunisie: hifanohana ny Barea sy ny mpanao karate

Samy miatrika ny lalao any Tunisie ny ekipa nasionaly Barea de Madagascar sy ny Malagasy mpikatroka karate. Araka ny vaovao voaray, omaly, tany an-toerana, nisy ny fifampiresahana teo amin’ny Federasiona roa tonta ka hifanohana izy ireo mba ho voninahitr’i Madagasikara. Ho avy hijery ny lalaon’ny Barea sy ny Aigle de Cartage Tunisie, izay hatao rahampitso, ireo efatra mianadahy solontenan’i Madagasikara, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Karate, sokajy zandriny, U21.
Ny zoma ho avy izao kosa, hanohana ireto karateka ireto ny Malagasy mpilalao baolina kitra. Nilaza ihany koa ity loharanom-baovao iray any an-toerana ity fa hanasa ireo delegasiona malagasy rehetra any an-toerana ny Diaspora ao Tunisie, saingy tsy mbola voafaritra ny fotoana sy ny toerana hanatontosana izany.
Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa ho tonga, anio, any Tunis, ireo Malagasy mpikatroka karate. Efa niatrika ny fiofanana izay notarihin’ireo tomponandraikitra ao amin’ny Kaonfederasiona afrikanina karate, ireo Malagasy mpitsara, nanomboka ny alatsinainy lasa teo, ka hisy Malagasy hitsara mandritra ny fifanintsanana Karate U21.

Fitia Randria

Partager sur: