“Sady mifety no manao basikety”, araka io teny faneva io, hafana indray ity andiany manokana amin’ny “Fety de Basikety e!” ity, izay hankalazana ny faha-15 taonan’ny AT2B (Andraisoro tia basket-ball). Hetsika hotanterahina manomboka ny tapaky ny volana septambra izao. Sokajy 10 no handray anjara amin’izany, misy ny Seniors, lahy sy vavy, Mini-Basket, lahy sy vavy, U16, lahy sy vavy, U20 lahy, Vétérans, lahy sy vavy ary ny basikety “sur fauteuil”, ho an’ny manana fahasembanana ara-batana. Tsiahivina, ny taona 2008 no nanatanterahina voalohany ity hetsika “Fety de Basikety e!” ity, sady nitokanana ny kianja basikety teny Andraisoro vita godirao, Notohanan’ny Orange sy ny RDJ ny fifaninanana tamin’izany. Nanampy tamin’ny fanavaozana ny kianja kosa ireo mpiara-miasa sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny taona 2013 no feno 5 taona ny AT2B Ary nokarakaraina ny andiany faharoa, izay notohanan’ny Telma. Nambaran’ny filoha lefitry ny AT2B no sady mpandrindra ny fifaninanana “Fety de Baskety e!”, fankalazana ny faha-15 taonan’ny AT2B, Rasaony Pascal, fa natao hoe “Edition spéciale” ity andiany iray ity noho izy sady fankalazana ny ary niato fotoana maharitra izany ka izao tafaverina izao indray. Hisy ny lelavola homena ny mpandresy amin’ity andiany manokana ity.
Mi.Raz