MFA Ampahibe : natolotr’ireo atleta ny amboara Asief 2024

Notanterahina omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fo­loalindahy (MFA) ny fanoloran’ireo atleta tamin’ny minisitry ny Foloalindany, ny Jly Sa­hivelo Lala Monja Delphin, ny amboara Asief 2024. Nahazo ny amboara betsaka indrindra ny teo anivon’ny MFA nandritra ny fifaninanana ara-patanjahantena 2024, nokarakarain’ny Asief tao Antsirabe, ny 5 ka hatramin’ny 18 aogositra 2024 lasa teo. Fifaninanana natokana ho an’ireo mpiasam-panjakana rehetra. Nitana ny laharana voalohany ny MFA tamin’ity fifaninanana nasionaly ity. Nahatratra 200 isa mahery ireo atleta avy ao amin’ny klioban’ny fanatanjahantena sy ny fahasalamana nisolo tena ka nandray anjara tamin’izany. Maro ny taranja nandraisan’izy ireo anjara izay nahazoana vokatra tsara. Medaly volamena miisa 73 raha medaly volafotsy miisa 35 ary medaly alimo 36 no azon’ireo atleta nandritra ny fifaninanana. Niarahaba sy nankasitraka ny ezaka vitan’izy ireo ny MFA sady nitondra fampirisihana hatrany amin’ny fahazotoana mandray anjara sy manao fanatanjahantena. Tafiditra anatin’ny fiainan’ny miaramila amin’ny ankapobeny rahateo izany sady fikolokoloana ny fahasalamana. Ahazoana vatana tomady entina miatrika ny asa fiarovana iantsorohan’ny Tafika Malagasy sy ireo mpiasa sivily eo anivon’ny minisitera.

Jean Claude

Partager sur: