Anio no fotoana hifanandrinan’ny Aigle du Carthage Tunisie sy ny Barea de Madagascar eo amin’ny andro voalohany hiadian-toerana amin’ny “Can 2025”, taranja baolina kitra. Samy nilaza ny mpanazatra roa tonta fa sarotra ny fihaonana amin’ity.
Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety, ny mpanazatra roa tonta Rakotondrabe Romuald (Rôrô) ho an’ny Barea sy i Faouzi Benzarti ho an’ny Aigle du Carthage-n’i Tunisie, omaly, tao amin’ny foibe toeran’ny Federasiona Tonizian’ny baolina kitra. Samy nanambara ny roa tonta fa tsy misy lalao mora mihitsy anio, eo amin’ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (CAN 2025). Tsy niaraka fa nifandimby niatrika ny mpampahalala vaovao ny andaniny sy ny ankilany. Nanambara i Faouzi Benzarti, fa ekipa tena tsara ny Barea. Tsy mora ny lalao ary tena raisiny ho zava-dehibe io fihaonana amin’ny Barea io, satria malaza mahay ny Malagasy na amin’ny fiarovan-tena na amin’ ny fanafihana ary tena kinga amin’ny fitazomam-baolina. Momba ireo mpilalao nantsoiny indray mitovy ny isan’ireo avy eto Tunisie sy ireo avy any Eoropa.
Tsy misy tahotra na tsindry…
Ho an’ny mpanazatra malagasy, tsotra ny teniny fa ambony ary efa fantatra aty Afrika, ny Tonizianina. Tsy manamaivana ny lalao ihany koa ity teknisianina malagasy ity saingy efa niomana fatratra ka hiady ny hahazo fandresena na ho sarotra aza. “Aleo nijanona tany Madagasikara raha toa ka hanaiky ho resy izany”, hoy izy. Tsy misy ny tahotra
na ny tsindry amin’io, na hilalao amin’ny tompon-jaridaina aza, satria efa niomana tamin’izany ny ekipa indrindra fa ireo mpilalao rehetra. Tsiahivina fa fanamiana fotsy rano iray ny an’i Tunisie raha maintso kosa ny an’ny Barea. Hitantana ny lalaon’ny roa tonta, anio ireo teratany telo mirahalahy avy any RD Congo hotarihin’ny mpitsara afovoany, i Jean-Jacques Ngambo Ndala.
Tompondaka