Hotanterahina anio, eny Soavina, ny andro fahatelon’ny fifaninanan’ny Nosy, “Island Padel Cup”, taranja tenisy anaty efitrano. Hiady izay ho laharana voalohany amin’ity lalao hazoana filaharana ity, i Madagasikara sy ny nosy rahavavy, La Réunion. Marihina fa ireto firenena roa ireto ihany no hiatrika ny famaranana amin’ny 7 septambra ho avy izao, eny an-toerana.
Tsiahivina fa samy nandresy an’i Maurice avokoa ny solontenan’ireto ekipam-pirenena roa hifandona, anio, ireto. Tsara ny mampahafantatra fa teo amin’ny andro voalohany, lavon’ny ekipa nasionaly malagasy, lahy sy vavy, 3 no ho 0, ry zareo Maorisianina. Resin-dry zareo renioney ihany koa ireo mpilalao avy atsy Maurice, omaly.
Hafana tanteraka ity fifanandrinana alohan’ny famaranana ity. Ampahatsiahivina ihany fa efa manana traikefa amin’ity Padel ity moa ireo tovolahy malagasy. Efa voahosotra ho tompondakan’i Afrika izy ireo tamin’ity taom-pilalaovana ity. Tanjon’ireo mpilalao 14 mianadahy, mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, ny hibata ny amboaran’ny “Island Padel Cup”, andiany voalohany.
Fitia Randria