SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 26 septambra hatramin’ny 5 oktobra ho avy izao, any Mozambika, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ireo firenena aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika, Cosafa U-20. Ao anatin’ny vondrona B no misy an’i Madagasikara, Zambie, Angola, ary i Namibia.

Nomontsanin’ny XV Beravina Itaosy, tamin’ny isa 47 no ho 19, ny Atsinanana Rugby, omaly, tao amin’ny kianja Malacam Antanimena. Lalao izay tafiditra amin’ny fifanintsanana “XXL Top 20”, federaly II. Lalao tena andrasan’ny maro, amin’ny alahady ho avy izao, ny fifanandrinan’Ikopa sy ny Crai.

Notanterahina omaly, teny Andraisoro, ny atrikasa mialoha ny fanamboarana ny kianja basikety eny an-toerana. Atrikasa niarahan’ny AT2B (Andraisoro tia basket-ball) tamin’ireo mpiara-miombona antoka rehetra, dia ny CUA, ny Gret, ny fol ary ny solontenan’ny fokonolona Andraisoro.

Mbola mitohy ny fandraisana anarana ho an’ireo klioba maniry handray anjara amin’ny “Open 2è division Analamanga”, taranja volley-ball. Tsiahivina fa hatao ny 8 hatramin’ny 15 septambra izao ity fifaninanana ity ary eto Antananarivo no hanatanterahina izany.

Partager sur: