« Sillicon Valley Film Festival »: Malagasy mpanatontosa roa handray anjara

Mandray anjara amin’ny «Sillicon Valley Film Festival», atao any Californie, ny 10 hatramin’ny 14 Oktobra 2024, ny san­gan’asan’i Rindra Rambe­lo­son, “Batardes» sy ny an-dRaoelijaona Gourio Laurino, «Trail of Doubt». Horonan-tsarimihetsika miisa 85, avy amina firenena miisa 38 no mandray anjara amin’izany hetsika iza­ny. Ahitana sokajy dimy, mandritra ity fifaninanana ity, ary ao amin’ny sokajy «Narrative Shorts” no misy ny “Batardes” an’i Rindra Rambeloson. Raha ao amin’ny “Documentary Shorts” kosa no misy ny an-dRaoelijaona Gourio Laurino.
Mitohy hatrany ny fisandratana ho an’ny sarimihetsika ma­la­gasy. Tanora malagasy, mpanatontosa sarimihetsika miisa roa indray no nahatafiditra ny san­ganasany hifaninana amin’ ny «Sillicon Valley Film Festi­val». Tombony maro no azon’izy ireo amin’izao fandraisan’anjara amin’ny hetsika lehibe izao. Eo ihany koa ny fifandraisana sy ny fihaonana amin’ireo matihanina eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika maneran-tany.

Lin

Partager sur: