Hatairana ny an’ireo olona teny amin’ny Digue hihazo an’i Fenoarivo Alakamisy, omaly, raha nahita fatin-dehilahy iray tao anaty rano. Olona handeha hiasa vao maraina no nahita azy ka nampandre ny zandary. Nilaza ireo olona nahita ny razana fa tsy mponina eny an-toerana ity lehilahy ity. Tsy fantatra kosa hatreto izay antony nahafaty azy fa raha ny fijerin’ ny olona azy, mety ny alarobia izy no efa tao anaty rano saingy omaly kosa vao nisy nahita. Fotsy hatsatra ny vatan’ity lehilahy ity noho izy efa nilon-drano elabe. Fotoana fohy taorian’ izay, tonga teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny mpitsabo. Tsy nahitana ratra ny vatany nandritra ny fizahana. Hita teny aminy nandritra ny fizahana ny karapanondrony. Nambaran’ny mponina eny an-toerana fa ny herinandro teo, no efa nahitana fatin’olona koa teo amin’io toerana io ka anisan’ny mampiahiahy ny mponina izany. Nohamafisin’ireo nijoro vavolombelona fa lasa faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana koa iny faritra manodidina ny toerana nahitana ity fatin’olona ity.
J.C