Mitohy hatrany ny fitadiavana fiaraha-miasa ataon’ny fitondram-panjakana hoentina manatanteraka ny fanamby sy ny vinam-pampandrosoana napetraka. Anisan’ny fahombiazana sahady izay fanatsarana ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana sinoa izay.
Tontosa, omaly, ny fihaonana teo amin’ny filohan’ ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry, sy ny filohan’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine, Xi Jinping, izay tafiditra ao anatin’ny fihaonana an-tampony andiany fahasivy eo amin’ny fiaraha-miasan’i Chine sy Afrika (Focac 2024) atao any Beijing. Nandritra izany fihaonana teo amin’ny filoha roa tonta izany no nanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Chine, indrindra eo amin’ireo sehatra folo nofaritan’ny filoha Xi Jinping hiarahana miasa amin’i Afrika.
Nizotra antsakany sy andavany ny fihaonana teo amin’ny filoham-pirenena malagasy sy sinoa. Naneho ny fahavononany amin’ny fanampiana ny fitondram-panjakana malagasy, amin’ny fanatanterahana ireo vina maro samihafa ny governemanta sinoa. Porofon’izany ny fanohanana ara-bola mitentina 28 tapitrisa dolara, ho fanohanana ny fitondram-panjakana malagasy amin’ny fanatanterahina ireo tetikasa lehibe ao anatin’ ny Politika ankapoben’ny fanjakana. Notsipihin’ny filoha Rajoelina Andry ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fambolena, indrindra ny fampitomboana ny voka-bary. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny indostria, ny famokarana ny angovo sy ny fanajarina izany ary ny fanamboarana fotodrafitrasa.
Raha tsiahivina, anisan’ny fanambin’ny fitondram-panjakana ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny hahatonga an’i Madagasikara ho sompitry ny ranomasimbe Indianina. Anisan’ireo andry lehibe ijoroan’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ihany koa anefa ny fampiroboroboana ny indostria. Hitera-bokatsoa ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, araka izany, iny dinika teo amin’ny filoham-pirenena roa tonta iny, noho ny fifandraisan’ny dinika amin’ireo vinam-pampandrosoana an’i Madagasikara.
Lin