“Midina ny taham-pandraisana anjaran’ny vehivavy. Tsy eo amin’ny mpirotsa-kofidina ihany izany, fa eo amin’izay voafidy indrindra koa”, hoy ny sekretera mpanatanteraka lefitra eo anivon’ny Ceni, Ravaoharinirina Hanitriniaina Liliane, teny Alarobia, afakomaly, ny amin’ny fiatrehana fifidianana. Tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna, ny taona 2019: 5% na 300 mahery ihany ny vehivavy voafidy ho ben’ny Tanàna, raha 5 000 mahery ny lehilahy; 11,01 % ny vehivavy voafidy ho mpanolotsaina, raha 41 000 ny lehilahy. Izay no anentanan’ny Ceni hoe manana ny anjara toerany ny vehivavy. Voaporofo amin’ny sehatra isan-karazany izany. Manao ezaka ny governemanta hampisy vehivavy bebe kokoa ho mpikambana. Manao ezaka koa ny sehatr’asa sy ny amin’ny fitaleavana rehetra na miankina na tsia hisian’ny vehivavy. “Manana andraikitra be dia be ny mpifidy sy ny mpirotsa-kofidina amin’ny fampandrosoana”, hoy izy. Anisan’ny handray anjara amin’ny fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena. Izay no anton’ny fanentanana.
Tsy mbola misy ny lalàna mamaritra ny tokony hifandanjan’ny isan’ny vehivavy sy ny lehilahy amin’ny fitantanana eto Madagasikara. Saingy azo atao ny mampifanelanelana ny vehivavy sy ny lehilahy. Manasa sy manentana ny antoko politika sy ny fikambanana ny Ceni, fa azon’ireo antoko sy fikambanana ny mijery ireo vehivavy miasa sy manetsiketsika ny fampandrosoana eny ifotony ho kandidà amin’izao fifidianana izao. Lisitra no hofidina amin’ity, ka farafaratsiny vehivavy ny antsasany na lohalisitra izay ho ben’ny Tanàna.
R. Nd.