Olona miisa 35 namoahana filazam-pikarohana maika mahakasika ny fakana an-keriny. Basy mahery vaika ampolony no ifampitadiavan’ny mpitandro filaminana. Mifanome tanana eny ifotony ny polisy, ny zandary ary ny Tafika…
Jiolahy miisa 35 no atao hazalambo ao amin’ny Faritra Betsiboka, Alaotra Mangoro, distrika Anjozorobe, Ankazobe, ato amin’ny Faritra Analamanga. Ahitana vehivavy fito amin’ireo mpaka an-keriny ireo (izay ifampitadiavan’ny mpitandro filaminana). Efa nisy tratra tany Anjozorobe ireo olona namoahana didy fikarohana ka anisan’izany Rasolofonirina Théo na Ratex na koa Rakom, araka ny fahafantaran’ny maro azy. Ny faran’ny volana aogositra teo no nilatsaka ny didy fikarohana azy ka ny ampitson’iny ihany (alahady io) dia tratra izy. Anisan’ireo jiolahy atidoha nikotrika ny fakana an-keriny miaro famonoana feno habibiana ireo olona dimy mirahalahy tao Marotsipoy Anjozorobe izy. Tsy nanam-bola 200 tapitrisa Ar ho tambin’ny takalonaina ny fianakaviana ka notifirin’ireo malaso avy hatrany izy dimy lahy nalaina an-keriny. Fa tratran’ny mpitandro filaminana tao Ampitiliana, fokontany Anosikely, kaominina Antakavana, distrika Ankazobe, ny zoma teo koa, i Klôpa na i Ledah, dahalo raindahiny tao Marotsipoy. Natao hazalambo ity jiolahy ity taorian’ny nahafantaran’ny zandary fa tompon’antoka tamin’ ny famonoana takalonaina tao an-toerana. Nikasa handositra ireo mpitandro filaminana tamin’ny fotoana nisamborana azy ity farany, saingy tsy afa-bela intsony.
Miara-miasa…
Mitondra basy mahery vaika, ahitana Kalachnikov, Mas 36 ary basim-borona miaraka amin’ny bala anarivony, ireto andian-jiolahy ireto rehefa manao fanafihana.
Zava-baovao amin’ity hetsika manokana hiadiana amin’ny fakana an-keriny ity ny fidinan’ireo polisy any ambanivohitra raha ny resaka fitandroana sy/na fandaminana ny an-tanàn-dehibe hatrany no nahafantarana azy ireo hatramin’izay. Ny hetsika rehetra ao anatin’ny « Harato 2 » dia ahitana ny polisy, zandary ary ny Tafika. Toy izany koa ny resaka fanadihadiana ara-keloka izay ifandrombonan’ny polisy sy ny zandary, mialoha ny hanolorana ny raharaha eny amin’ny fitsarana.
Jean Claude




