Mitohy hatrany ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa ho fanatanterahana ny vina sy fanamby napetraky ny fitondram-panjakana. Anisan’izany ny eo amin’ny sehatry ny haitao ara-kajy mirindra.
Taorian’ny fiatrehana ny fihaonana an-tampony, andiany fahasivy, mahakasika ny fiaraha-miasan’i Chine sy Afrika. Nisy ny fitsidihana orinasa maro samihafa tao Chine, nataon’ny delegasionina malagasy, notarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Anisan’izany ny orinasa Huawei sy ny Tebian Elecric Apparatus Group. Ankoatra ny fitsidihana, nisy ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny fanjakana malagasy sy ireto orinasa ireto. Tanjona ao anatin’izany ny fakana traikefa sy fahaiza-manao ho fanatsarana ny tontolon’ny orinasa eto Madagasikara. Ankoatra ireo fifanaovan-tsonia nandritra ny “Focac 2024”, manampy izany koa ireto niarahana tamin’ny Huawei sy ny Tebian Elecric Apparatus Group ireto. Anisan’izany ny tetikasa « Medium ring Tana », hanavao tanteraka ny tambajotra fitsinjarana herinaratra ao amin’ny Tambajotra iraisan’ Antananarivo (RIA). Notsipihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny fanafainganana ny fanombohana ity tetikasa ity, ho famaliana ny filan’ ny mpanjifan’ny Jirama. Raha ny mahakasika ny fifanaovan-tsonia tamin’ny Huawei indray, mahakasika ny sehatry ny haitao ara-kajy mirindra izany. Anisan’izany ny fanamafisana ireo fotodrafitrasa fototra ilaina amin’io haitao vaovao io eto amintsika, eo ihany koa ny fifanaraham-piaraha-miasa mikendry fampisitrahana ny tontolo ambanivohitra herinaratra sy internet, amin’ny alalan’ny tetikasa “Rural plus”. Manampy ireo ny fanatsarana ny tontolo fanabeazana sy fampianarana ambony, amin’ ny alalan’ny fampiasana ny fifandraisan-davitra. Tanjona amin’izany ny hahafahan’ny Malagasy rehetra misitraka ireo fanavaozana eo amin’ny tontolon’ny haitao ara-kajy mirindra.
Lin




