“Tsy tokony hisy intsony ny fanakanana na tsy fandraisana anjara na fanaovana ankilabao amin’ny fifidianana. Na amin’ny antoko miaraka amin’ny fitondrana izany, na ny antoko mpanohitra, na ny mahaleo tena”. Io ny fanehoam-pijerin’ny depiote voafidy tany Sainte Marie tamin’ny anaran’ny Irmar, Imbiki Herilaza, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly sy monisipaly. Samy tokony hanana zo feno hirotsa-kofidina ny rehetra, tokony hahatsapa hoe manana adidy amin’ny firenena fa harena ny fahasamihafana. Tsy tokony hieritreritra ny rehetra hoe hanao na tsia ny fiifidianana, fa entanina handrotsaka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina.
Marina fa mafimafy ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina. Nefa ny fandaniana amin’ ny fifidianana no mahatonga an’izay, fandraisana anjara amin’ny fanontana biletà tokana. Araka ny lalàna, rehefa mahazo mihoatra ny 10% amin’ny vato manankery ny kandidà dia miverina aminy ny anto-bola fa tsy mijanona amin’ny fitondram-panjakana. Afa-manao ezaka ny rehetra mba hahitana an’izay anto-bola izay, raha tena fitiavan-tanindrazana no manosika amin’ny firotsahan-kofidina. Izay no hahazoana mandrotsaka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna na ho mpanolotsaina.
Tsy tokony hohadinoina fa rafitra mpanatanteraka eo anivon’ny kaominina ny ben’ny Tanàna, fa ny mpanolotsaina no mpanapa-kevitra. Lasa miteraka sakana ny fifanoheran’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, raha tsy mitovy hevitra.
R. Nd.




