Nafana sy nangotraka ny fampisehoana nataon’ny tarika Tselatra, omaly, tetsy Antsahamanitra. Tarika miangaly ny gadona Rock sy Heavy metal, anisan’ny be mpankafy eto amin’ny Nosy izy io. Porofon’izany, feno ny toerana ary tonga maro tsy nanavahana, vavy sy lahy, ny mpankafy nanatrika izany teny an-toerana. Afapo tanteraka ireo mpankafy vazo mafana satria tafiditra tsara tao anatin’ny ambiansy vao nanomboka ny fampisehoana. “Tarika mivoy ny gadona mafana anisan’ny nankafizin’ny olona voalohany, hatramin’izao mbola manana ny lazany ny tarika”, hoy ireo mpankafy. Maro ny hira tsy afaka am-bavan’izy ireo, toy ny “Mba rahoviana”, “Fitiavako”, “Rainay ô”, “Neny”, “Diso ve aho”, “Alon-drano”, “Misy andro”, “Tsy anjara”, “Tsy kivy”, sy ny maro hafa. Ankoatra izay, samy nanao fitafy matroka sy mariky ny fankafizana gadona mafana avokoa ireo mpankafy, na vavy na lahy, nandritra izany. “Marika iray ampisehoana fa mankafy ilay mozika ny fitafy mampiavaka”, hoy hatrany ireo mpankafy.
Nampiavaka ny seho ny haingon-tsehatra, ny setroka ary ny jiro maroloko, nandravahana ny teny an-tsehatra. Nanomboka tamin’ny telo ora tolakandro tsy diso ny fampisehoana, tamin’ny 5 ora sy fahefany teo kosa ny tapany faharoan’ny seho.
Mino




