Notontosaina afakomaly, teny amin’ny Soavina Atmosphere, ny lalao famaranana, fifaninanan’ny Nosy, “Island Padel Cup”, taranja tenisy anaty efitrano, lahy sy vavy. Norombahin’ireo Malagasy, lehilahy, mpilalao ny amboara tamin’izany, raha nifanandrina tamin’ny ekipa voafantina avy any La Réunion izy ireo. Nionona tamin’ny laharana faharoa kosa ny vehivavy mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenen’i Madagasikara, rehefa lavon-dry zareo renioney, tamin’ny seta 2 no ho 1. Hita ho tombony ho an’ireo lehilahy malagasy ny traikefa ananan’izy ireo. Tsiahivina fa efa voahosotra ho tompondakan’i Afrika izy ireo tamin’ity taom-pilalaovana ity.
Marihina fa tamin’ity fifanintsanana andiany voalohany ity, firenena telo no nandray anjara dia i Madagasikara, mpampiantrano, La Réunion ary i Maurice.
Fitia Randria