DAKA AN-JORONY : Ny mitandrim-pamindra tsy mba lavo

Ilaina hatrany ny fahamailoana amin’ny fiainana. Tsy mifanalavitra amin’izany ny amin’ny fanatanjahantena. Mbola mavesatra amin’ny mpitia baolina kitra rehetra na ny teto Madagasikara na ny tany ampitan-dranomasina, indrindra ho an’ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar, ny segondra farany naharesy azy ireo, nanoloana ny Voromaherin’i Carthage an’i Tunisie, farany teo. Ny mahery tsy maody rahateo tsy ela velona, ary soa lavo hahay hamindra, hoy ny fahendren’ireo raiamandrenibe teo aloha. Na izany aza, tsy fotoanan’ny fifanomezan-tsiny ireny na hifandatsana fa kosa fandraisana lesona. Manomboka eto, tokony hijery tsara izay asiana ny tongotra ny rehetra mba tsy ho voafingana. Ny mitandrim-pamindra manko no tsy mba solafaka ary ny tsara fijoro tsy mba mianjera. Marary ny resy saingy ny faharesena tsy midika fahalavoana. Eo amin’ny tany nahalavoana mihitsy aza no hiarenana, ka hanehoana amin’ny mpifanandrina fa mafy ianao ary mahery. Tsy vita mora anefa izany fa mila fifanohanana sy fifankaherezana eo amin’ny tsirairay. Ialana lavitra ny toe-tsaina sakaizan’ny mpandresy. Hisikino ary ny fahazotoana sy ny faharisihina ka tohizana ny dia. Ialao ireo mpamendrofendro fa toy ny mpamosavy malemy ireny. Tsy misy mafy tsy laitry ny zoto fa rehefa mikiry amin’ny zavatra tiana, tsy maintsy tratra ny tanjona. Aleo miasa mangina ka ny vokatra no aoka hitsara azy. Hijoro indray ny Barea de Madagascar, anio. Tsy mihemotra ary tsy mikoso-masomena fa vonona haka fandresena. Tsy vitan’ny nofinofy am-pitsanganana nefa izany fa ndeha hanao toy ny mpirahalahy mianala, ka i zoky tokin’ny zandry, i zandry tokin’i zoky.

Tompondaka

Partager sur: