Karate-Afrika: Afa-panadinana ireo Malagasy mpitsara 3 vavy

Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny delegasiona malagasy, miatrika ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika U21, any Tunisie, ny fiatrehan’ireo Malagasy mpitsara, ny fanadinana amin’ny maha mpitsara azy ireo. 3 mirahavavy izy ireo no niatrika izany, izay samy afaka daholo. Anisan’izany, ny Sensei Raboanarijaona Voahirana, tepana mainty, 4e Dan, no sady filoha nasionalin’ny mpitsara sy ny Sensei Andriami­hantandrianina Maya, tepana mainty, 3e Dan. Marihina fa samy mpitsara A kontinantaly izy roa ireo. Nahazo ny diplaoma ihany koa, ny Sensei Halloa Ali, izay mpitsara B Kontinantaly. Teo amin’ny fifaninanana kosa, anisan’ny efa nahavita ny anjarany, Rako­tomamonjy Ayrton, teo amin’ny Kata, sokajy Cadet. Niady ny medaly alimo ity solontena malagasy ity, nanoloana ilay teratany Maraokanina, saingy resy nandritra izany. Efa nandray anjara, omaly, ihany koa ireo solontena malagasy 3 ambiny, i Tsiky, i Fenosoa ary i Fabio. Tsiahivina fa ny zoma lasa teo no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy latsaky ny 21 taona, taranja karate, ity ary nifarana omaly. Ho ampitaina amin’ny fotoana manaraka ny vokatra azon’ireo solontena malagasy nifaninana. Ankoatra ny fifaninanana sy ny fanadinana ho an’ny mpitsara, fotoana nanararaotan’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy nihaonana sy nifampidinihana tamin’ireo oloben’ny karaté eto Afrika ihany koa nandritra izay herinandro izay.

Mi.Raz

Partager sur: