Rugby-« XXL Top 12 »: tsy nahovoka teo anatrehan’ ny FTM ny TFMA

Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Ando­hatapenaka, ny andro fahadimy, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”, federaly I. Niondrika teo anatrehan’ny FTM Manjakaray, tamin’ny isa 56 no ho 25, ny TFMA An­kasina. Anisan’ny lalao tena nandrasan’ny maro ity fifanandrinan’ny roa tonta ity, saingy efa nampoizin’ireo mpanaraka ny taranja lavalava ihany ny vokatra.
Raha hiverenana ny fihaonana, nifandanja tanteraka ireto klioba samy kartie ireto nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Ny ekipan’i Man­jakaray no nitarika 24 no ho 18, tamin’izany, ary io isa io no nentina niala sasatra. Teo amin’ny fidirana faharoa, niezaka nampiseho ny heriny ireo boay kely manohitra, saingy tsy nahasakana ny FTM izany. Marihina fa nahazo karatra mena ny mpilalaon’ny TFMA ary nisy mpilalao telo tamin’izy ireo naratra mafy. Niafara tamin’ny 56 no ho 25 ny lalao, resy ny klioban’Ankasina.
Mbola tsy afa-bela, araka izany, ny mpilalaon’Ankasina. Tsiahivina fa ny 17 marsa lasa teo, teny Andohatapenaka ihany, efa resin-dry Koroka, Lahatra, Julio, mpilalaon’ny FTM tamin’ny isa 33 no ho 28, ny Boay kely manohitra.
Ankoatra izay, noresen’ny STM, tamin’ny isa 35 no ho 30, ny ekipan’ny USA An­ka­difotsy. Ampahatsiahivina fa amin’ity fifanintsanana ity, hanao manasa-dalana avy hatrany ireo roa voalohany. Ireo mitana ny laharana fahatelo hatramin’ny fahenina kosa hifanintsana ka izay roa tafavoaka amin’izany no tafita amin’ny dingana manaraka. Nilaza ny teknisianina teo anivon’ny Malagasy Rugby fa hatao amin’ny volana janoary 2025, ny famaranan’ny “Top 12”.

Fitia Randria

 

Partager sur: