Fampiroboroboana ny toekarena manga: hiara-hiasa i Madagasikara sy ny OPJEB

Hitondra tombontsoa betsaka amin’ny fampiroboroboana ny toekarena manga sy hipaka mivantana amin’ny tanora ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny Vondron’ny tanora Panafricaine ho an’ny toekarena manga (OPJEB) .

Vita sonia ny zoma teo, nandritra ny fankalazana ny androm-pirenena ho an’ny toekarena manga (JNEB) andiany faharoa, tany Toamasina, ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB) sy ny Vondron’ny tanora Pa­nafricaine ho an’ny toekarena manga (OPJEB). Fiaraha-miasa izay mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny toekarena anaty rano aty amin’ny kaontinanta Afrikanina. Ha­hakasika sehatra maro ny fifanaraham-piaraha-miasa, toy ny fandaharam-piofanana ma­nokana, ny fanohanana ny fandraharahana an-dranomasina ary ny fikarohana siantifika hanatsarana ny fitantanana ny harena an-dranomasina. Ankoatra izay, hipaka mivantana amin’ny tanora izao fiaraha-miasa izao, noho izy hiteraka asa sy hampidi-bola eo amin’ny sehatry ny toekarena. Eo ihany koa ny bioteknolojia ary ny fitrandrahana ny harena an-dranomasina. Voa­sokajy ho fototry ny lalana hizorana any amin’ny toekarena manga lovainjafy ny tanora ka mamorona asa maitso sy manga, miaro ny tontolo iainana, hampandroso ny toekarena.

Fihaonambe

Handray ny fivoriamben’ny tanora Afrikanina ho an’ny toekarena manga (Forum des jeunes Africains pour l’économie bleue) ny taona 2025 i Madagasikara. Hetsika izay hamoaboasan’ireo mpisehatra samihafa ny fampandrosoana ny tontolon’ny toekarena manga. Hasongadina mandritra ny fivoriambe ihany koa ny fitantanana ny harena an-dranomasina eto Madaga­sikara mba hisarihana mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena. Hisarihana mpampiasa vola sy mpamatsy vola vahiny, hanokatra lalana ho an’ny tetikasa vaovao eo amin’ny sehatry ny toekarena manga, ny fandraisana ny « Forum des jeunes Africains pour l’économie bleue » sy ny fiaraha-miasa amin’ny OPJEB.

Henintsoa Hani

Partager sur: