Manana harena an-kibon’ny tany maro sy azo trandrahina ary ahafahana mampiasa vola i Madagasikara. Mikendry ny ho tonga mpisehatra lehibe amin’ny indostrian’ny harena an-kibon’ny tany eto Afrika ny Nosy malagasy. Betsaka ny fanavaozana natao eo amin’ny lafiny fitrandrahana sy fankatoavana fehezan-dalàna vaovao momba izany, izay manoritra lalam-baovao ho an’ny indostria mpitrandraka.
Tombanana ho mihoatra ny 10 tapitrisa Dolara ireo andramena avy eto Madagasikara nogiazana amin’ny fomba tsy ara-dalàna tamin’ny taona 2014 sy mbola any Tanzania. Hampodiana eto an-toerana amin’ity volana ity ireo andramena taorian’ny fankatoavan’ny Cites, fikambanana iraisam-pirenena miandraikitra ny fandrindrana ny varotra sy ny fiarovana ny zavamananaina.
Miisa 12 000 ireo osy natolotra an’ireo tokantrano 3 000 marefo any amin’ny faritra Atsimo (Androy, Anosy, ary Atsimo andrefana) hanarenany ny fari-piainany manoloana ny haintany sy ny fiovaovan’ny toetr’andro. Miisa 6 616 ireo biby fiompy efa voazara nanomboka ny 12 aogositra ka osy lahy iray sy osy vavy telo efa vonona hanome taranaka no omena ny isan-tokantrano. Nitohy tao Ejeda, distrika Ampanihy ny hetsika, izay mifanojo amin’ny filan’ny mponina ho fanohanana azy ireo.




