Baolina kitra – D2 nasionaly: hatao eto Antananarivo ny « Poule des As »

Nampahafantarina oma­ly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Fede­ra­siona malagasin’ny baolina kitra (FMF) fa hatao eto Antananarivo, ny 18-29 septambra ho avy izao, ny dingana farany “Poule des As”, diviziona faharoa (D2) nasionaly, « World Cola Ligue des Champions ». Klioba efatra no hiatrika izany dia ny FC Theo Sava, AS Fos Analan­jirofo, ny FC Avenir du Sud Anosy ary ny FCA Ihorombe.

Amin’ity dingana farany ity, hisy ny fifanandrinana man­droso sy miverina, ka izay voalohany sy faharoa amin’izany no miakatra ao amin’ny dingan’ny « Pureplay Football League (PFL)». Tsiahivina fa tsy misy klioba avy eto Antananarivo ireto miatrika ny famaranana ireto. Tsy mbola voafaritra mazava ny lelavola ho azon’izay tompondaka amin’ity fifanintsanana ity.
Ankoatra izay, kianja roa no handray ireo lalao miisa 12, ny kianja manara-penitra Ambohidratrimo sy ny Elgeco Plus By-pass.

Fitia Randria

Ireo lalao rehetra

18/09/2024:
FCA vs AS Fos
Avenir du Sud vs FC Theo
20/09/2024:
AS Fos vs FC Theo
Avenir du Sud vs FCA
22/09/2024:
AS Fos vs Avenir du Sud
FC Theo vs FCA
24/09/2024:
FCA vs FC Theo
Avenir du Sud vs AS Fos
26/09/2024:
FCA vs Avenir du Sud
FC Theo vs AS Fos
29/09/2024:
AS Fos vs FCA
Avenir du Sud vs FC Theo

Partager sur: