« Photomania » : hetsika goavana ho an’ny saripika

Efa fanao ny “Iray volan’ny saripika” isaky ny roa taona. Hanatevina ny hetsika ho an’ity sehatra ity kosa ny “Photomania”, hetsika iray hiompana amin’ny tontolon’ny saripika eto Madagasikara.

Ho sehatra goavana ho an’ny tontolon’ny saripika ny Urban Futsal, Galaxy Andraharo. Hotonto­saina ao amin’ity toerana ity ny hetsika “Photomania”, ny 27 sy 28 septambra ho avy izao. “Fotoana natao hihao­nan’ireo rehetra milomano anatin’ny tontolon’ny sary sy ny mpankafy izany io. Hisy ny fampirantiana sy ny fakan-tsary mivantana eny an-toerana. Eo koa anefa ny varotra sy fampahafantarana ireo fitaovana ilain’ny mpaka sary, indrindra ireo hiaka farany”, hoy ny nambaran’ny mpikarakara avy ao amin’ny Assist & Co, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny foiben’ny Telma, omaly.

Mpaka sary matihanina, mpankafy saripika, mpankafy karazana fakan-tsary, mpivarotra fakan-tsary sy izay fitaovana rehetra manodidina azy, mpilatro, mpamoron-damaody, mpiandraikitra ny ravaka amina lanonana, sns, ireo no sokajin’olona andrasana amin’ ny hetsika. Tsy fampihaonana fotsiny, fa hisy koa ny fifanakalozana isan-karazany, izay ho tonga any amin’ny fifampizarana ny tsenan’ny saripika eto Madagasikara mandritra izany. Anisan’ireo hizara ny traikefany, ohatra, ireo mpaka sary mivondrona ao amin’ny Union des photographes professionels de Madagascar na ny UPPM.
Hisy fanomezana sehatra ho an’ireo talenta vao amin’ny saripika koa ny “Photomania”. Hisy, araka izany, ny fifaninanana saripika ho an’ireo tsy matihanina, manodidina ny lohahevitra iray. Ry zareo efa matihanina mivondrona ao amin’ny UPPM kosa no hitari-dalana sy hitsara ny fifaninanana.
Hampiditra sahady ny Iray volan’ny saripika, izay hotontosaina ny volana novambra ho avy izao ny “Photomania”. Antenaina hitondra aina vao ho an’ny tontolon’ny saripika eto Madagasikara, mba hampiroborobo ity seha-kanto iray izay efa manana ny toerana ity izany.

Zo ny Aina

Partager sur: