IFM Analakely: handranty ny haikantony i Misa Ratrimoharinivo

Tanterahina manomboka anio, hatramin’ny 19 oktobra 2024, eny amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM Analakely), ny fampirantiana «Fusion, Visions et Perspéc­tives», an’i Misa Ratrimo­harinivo, Malagasy mpahay kanto misehatra eo amin’ny fanaovana rary sy haikanto momba ny lamba. Ankoatra ireo sanganasany, anisan’ny haseho mandritra izany koa ireo teknika sy fahaiza-manaon’ity mpahay kanto ity. Tanjona amin’izany ny hampiroboroboana sy hampahafantarana ity karazana zavakanto ity, indrindra ny an’i Misa Ratrimoharinivo.
Mpahay kanto nisehatra teo amin’ny tontolon’ny rary sy ny zavakanto vita amin’ny lamba, efa an-taonany maro i Misa Ratrimoharinivo. Mbola kely izy dia efa nampianarin’ny reniny nandrary. Nandalina sy nanaraka lalam-piofanana mahakasika izany izy taorian’izany ary niditra tanteraka teo amin’ny sehatra matihanina taty aoriana. Fifaninanana sy hetsika iraisam-pirenena maro no efa nandraisany anjara, sy nanehoany ny fahaiza-manaony ka nahazoany amboara sy mari-pankasitrahana maro. Anisan’izany ny tao Burkina Faso, ny taona 2002, izay nahazoany mari-pankasitrahana manokana avy amin’ny Unesco. Teo ihany koa ny tao Chine, ny taona 2011.
Tsy nijanona fotsiny tamin’ izay i Misa Ratrimoharinivo fa niezaka ny hanatsara ny asa tanany. Tao anatin’izany no namolavolany tetikasa hanafangaroana ny zavakantony amin’ny zavakanto hafa. Izany rehetra izany no hasehony mandritra ny fampirantiana eny amin’ny IFM Analakely, manomboka anio.

Lin

Partager sur: