“Hisolo tsiky…”. Hira vaovaon’ny tarika Raboussa, izay nambarany fa hivoaka rahampitso. Hampahafantarina voalohany amin’ny tambajotra, ao amin’ny pejin’ny tarika izany. Tsy mbola nisy naheno azy ny mpankafy, saingy azo antoka fa mifanohy na mifameno amin’ilay hiran-dRaboussa nalaza indrindra, “ Ho tsiky tsy tomany” izy ity.
Tontosa ny fialantsasatra lehibe ho an’ny mpianatra. Nitondra inona teo amin’ny zaza Malagasy izy io ? Tsy nisongadina ny fisiany, satria, «sarotra ny fiainana», hoy ny ray aman-dreny. Maro ireo tsy afaka nanatanteraka ny fakan-drivotra ivelan’ny toerana na faritra misy azy. Na izany aza, tsy mahay milalao ny zaza ankehitriny, hany ka tsy misy lanjany aminy ny fialantsasatra.
Mbola misy amin’ny Malagasy no tsy mahatsapa sy tsy mahatsiaro ny lanjan’ny « harenan’ny fahasamihafana ». Na, «misavika» ny an’ny hafa. Na, misompatra sy mialona ny tsy an’ny tena, sns. Vokany, tsy afa-mandroso ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Tsy afa-mivelatra ilay endri-piarahamonina tamin’ny vanim-potoanan’ny fihavanana, fifanampiana, tahotra an’Andriamanitra, sns !