Nanomboka omaly, ka hatramin’ny alahady 15 septambra izao, ny hetsika “WorldSkills 2024” izay atao any Lyon-Frantsa. Lalao Olympika ho an’ny asa tanana ny hetsika ka tanora manana talenta avy amin’ny sehatra matihanina samihafa manerana izao tontolo izao no mandray anjara amin’izany. Handray anjara amin’ny sehatry ny fanorenana sy ny teknolojia amin’ny taotrano i Madagasikara ary hifantoka manokana amin’ny asa hazo sy ny akora avy amin’ny zavamaniry. Miisa 15 ny Malagasy mpahay asa tanana solontenantsika any an-toerana. Izy ireo izay miavaka
amin’ny kalitaon’ny asa sokitra amin’ny hazo sy hampiseho ny fahaizany ka hanandratana ny karazan-kazo malagasy. Porofo izao fa manan-karena asa tanana sy fanavaozana eo amin’ny sehatry ny taozavatra eto Madagasikara ny fandraisana anjara amin’ny hetsika lehibe toy izao.
Fifaninanana
Sehatra iraisam-pirenena ifaneraseran’ny tanora manan-talenta maro avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao ny “WorldSkills”. Hampirisihina, araka izany, ny tanora hisafidy asa matihanina izay mamaly ny filan’ny tsena. Tombony ho an’i Madagasikara ny mampiavaka ny asa tanana sy ny kalitaon’ny vokatra malagasy noho ny fahaiza-manaon’izy ireo misarika ireo teratany vahiny.
Ankilany, manohana ny tanora mpifaninana ao anatin’
izao hetsika iraisam-pirenena izao ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka. Nihaona tamin’ireo minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana sy noraisin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny herinandro teo, ny delegasionina malagasy handray anjara amin’ny “WorldSkills 2024”.
Henintsoa H.