Am-periny ireo ezaka ataon’ny fitsarana sy ny Bianco, isanisany, mahakasika ny ady amin’ny kolikoly. Antenaina ny hisian’ny fiaraha-miasa sy hetsika ataon’ny roa tonta amin’izany.
Tontosa omaly, teny amin’ ny foiben’ny minisiteran’ ny Fitsarana, Faravohitra, ny fitsidihana tamin’ny fomba fanajana, nataon’ny Tale jeneralin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco), Razakamanantsoa Gabhy Nestor, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis. Ankoatra ny fiarahaban’ny talen’ny Bianco ny minisitry ny Fitsarana vaovao, amin’ny nahavoatendry azy, anisany nisongadina, nandritra ny fihaonana ihany koa, ny resaka ady amin’ny kolikoly. “Mila ny fiaraha-mientan’ny rehetra, ary adidy sy andraikitry ny rehetra ny miady amin’ny kolikoly”, hoy ny Tale jeneralin’ny Bianco. Izany no anton’ny fihaonana ho fiaraha-miasa
sy fiaraha-mientana ary ho fananganana paikady hiadina amin’ny kolikoly.
Tafiditra ao anatin’ireo rafi-panjakana, aharaisana fitarainana be indrindra mahakasika ny kolikoly ny tontolon’ny fitsarana, araka ny tatitry ny asa vitan’ny Bianco, nandritra ny taona 2023. Anisan’ny laharam-pahamehana napetraky ny minisitry ny fanatsarana izany endriky ny departemanta tantaniny izany, manoloana ny vahoaka. Efa an-dalam-panatanterahana ireo paikady napetraka amin’izany ny eo anivon’ny minisitera amin’izao. Tafiditra ao anatin’izany ny atrikasa fanatsarana ny rafi-pitsarana, atao eny amin’ny ENMG Tsaralalàna, nanomboka omaly ary hifarana anio. Etsy ankilan’izay, anisan’ny andry lehiben’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ihany koa ny fanjakana tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly.
Lin