Tanterahina anio, eny amin’ny Centre AES Amboditsiry, ny seho entina manokatra amin’ny fomba ofisialy ny “Festival du rire Jôkôsô” andiany fahefatra. Hiavaka kely ny amin’ity andiany ity satria ny Magic Squad no hanafana ny sehatra mandritra izany fampisehoana fanokafana izany. Efa fanaon’ny mpikarakara ny manampy ivontoerana mitaiza ankizy, mandritra ny fanokafana ny “Festival du rire Jôkôsô”. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, hatolotra manontolo ny Centre AES Amboditsiry ny vola azo mandritra ity fampisehoana ity. Aorian’ny seho ataon’ny Magic Squad, anio. Hifandimby hiaka-tsehatra sy hanolotra fampisehoana amin’izay ireo Malagasy mpiangaly hatsikana. Anisan’izany ny atrikasa iarahana amin’i Joely, sy ny iarahana amin’i Rodrigue, izay samy eny amin’ny Ivokolo Analakely, rahampitso. Marihina fa misy ihany koa ny atrikasa sy velakevitra ary fifampizarana fahaiza-manao, ankoatra ny fampisehoana mandritra ny ity andiany ity
Lin