Hanabevoho ny kolontsaina malagasy, hamelona, hanome lanja ary hampiaina ny fahasamihafana ara-kolontsaina ihany koa. Tanjona efa napetraky ny “Angaredona Mozika Festival” ireo, nandritra izay 20 taona nisiany izay. Hamafisina ny fanatrarana ny tanjona amin’ity andiany faha-18 ity, raha ny nambaran’ireo mpikarakara nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Telma Andraharo.
Hotontosaina ny sabotsy 21 sy alahady 22 septambra izao, eny amin’ny Naturia Palm Antanambao Ambatondralambo, ny hetsika. Mialoha izay, hisy ny fampisehoana fanokafana ho an’ireo vahiny nasainy manokana ny zoma 20 septambra, amin’ny 7 ora , eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka.
“Nahena ny isan’ny tarika handray anjara, mba hampiakarana ny kalitaon’ny hetsika. Saika hatao tany Toliara ity andiany faha-18 ity, saingy nanapa-kevitra indray izahay fa hajanona eto Antananarivo amin’izay ny Angaredona. Mivelatra amin’ny zavakanto sy ny mpanakanto avy amin’ny faritra rehetra manerana an’i madagasikara kosa anefa ny hetsika, ary mbola hisy tetikasa hafa aza hidinan’ny Talenta Production ifotony”, hoy Rajery. Izy no angady nananana sy vy nahitana ny “Angaredona Mozika Festival”. Mbola marik’izay fisokafana izay ihany koa no nampiandraiketana ny Talenta Production ny fikarakarana ny hetsika.
“Tarika ampolony maro no hifandimby an-tsehatra mandritra ny hetsika. Misy ireo vao misondrotra, ao ireo efa manana ny lazany ary misy ireo tena kalaza eto sy any ivelany. Tafiditra anatin’ny tanjona koa mantsy izay fifanakalozana traikefa eo aminay samy mpanakanto izay”, hoy kosa i Mbola Talenta, tomponandraikitry ny Talenta Production.
Tonga nanatrika ny fotoana ny ampahany amin’ireo mpanakanto, nahitana an-dry Stéphanie, Feokanto, Mada Feo, Tahina Carine, Nainako, Mashmanjaka, Zandry Gasy, sns
Zo ny Aina