Hanomboka ny 27 septambra ho avy izao ny fifanintsanana iraisam-pirenena amin’ny taranja Rugby, sokajy vehivavy, “WXV III”, izay hatao any Dubai. Anisan’ireo handray anjara amin’izany i Madagasikara.
Araka ny vaovao nampitan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Malagasy Rugby, omaly, fantatra fa hanainga eto an-tanindrazana, ho any Kenya, ny 17 septambra ho avy izao, ny XV Makis Ladies, sokajy vehivavy. Raha ny fanazavana voaray, hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana izay hifanandrinana amin’i Kenya izy ireo ny 20 septambra ho avy io.
Tsara marihina fa ity fihaonana ity, natao hanomanan’ireo Malagasy mpilalao ny fifanintsanana iraisam-pirenena “WXV III”, izay hotanterahina any Dubai, manomboka ny 27 septambra ho avy izao.
Aorian’ity fifanandrinana amin-dry zareo kenianina ity, hanainga ao Kenya, ho any Dubai ny ekipa nasionaly malagasy. Nomarihin’ity mpampita vaovao avy amin’ny federasiona ity fa dimy andro mialoha ny fifaninanana no tsy maintsy tonga any Dubai, ny Makis. Tsiahivina fa efa nanomboka ny 12 aogositra lasa teo ny Makis vehivavy no nanatanteraka fampivondronana teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka.
Nisy ny fanazarantena izay notarihin’ireo teknisianina avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena, World Rugby, i Steph Nel, avy any Afrika Atsimo sy i Antoine Mobian, teratany frantsay-irlandey. Tsara ny mampahafantatra fa ny ekipan’i Espagne, Samoa ary Hong –Kong no hifandona amin’i Madagasikara, mandritra ny fifanintsanana.
Fiofanana ho an’ireo mpanazatra
Ankoatra izay, nikarakara hetsika ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Malagasy mpanazatra ny rugby lalaovin’olona fito ny federasiona, ny 6-8 septambra lasa teo, teny Andohatapenaka. Miisa 20 teo ireo mpanazatra nanatrika izany, ka ny 17 amin’izy ireo no manana ny mari-pahaizana “niveau 2” ary ny telo ambiny “niveau 3”. Ilay iraka manokana nalefan’ny World Rugby, Steve Nardon, no nitarika izany teny an-toerana.
Fitia Randria