Hisy ny fananganana tohodrano mamokatra herinaratra eto amintsika, iarahana amin’i Indonezia. Hatao amin’ny taona 2025 ny fandinihana sy ny fikarohana ary hanomboka ny 2026 ny fanatanterahana azy. Manohana ny tetikasa ny Fiaraha-miasa alemà, amin’ny alalan’ny Fiaraha-miasan’ny telo tonta, firenena samy tatsimo sy Alemaina (SSTC). Vita sonia ny 3 septambra teo ny fifanarahana, natao tany Bali Indonezia.
Tombanana ny zava-bita sy ny mbola hatao hanatrarana ny ODD (Tanjon’ny fampandrosoana maharitra amin’ny taona 2030. Niaraka nidinika mahakasika izany ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd), ny Toekarena (MEF), ny Usaid, ny Pnud, ary ny Fandaharanasa Rindra. Anisan’ny nifantohana ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana, eo anivon’ny firenena sy ny faritra, eto Madagasikara.
Ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny Cirad sy ny Minae (minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana) ny fampivoarana ny famokarana sy ny fikarohana. Tafiditra ao anatin’izany ny fikarohana karazana masomboly voafantina mahazaka toetr’andro sy fikarohana teknikam-pambolena vaovao. Hifantohana amin’ny fiompiana kosa ny fanatsarana ny Ivontoerana fampanarahana enti-tanana sy ny fanapariahana azy hanatsarana ny taranaky ny biby fiompy.