VAOVAO TAMBATRA

Manampy an’i Madagasikara amin’ny sehatry ny lalana i Japana. Anisan’ny fotodrafitrasa lehibe namboariny tamin’ny alalan’ny Fiaraha-miasa japoney (Jica), ny tetezan’i Mangoro sy Antsapazana any amin’ny lalam-pirenena faharoa RN2. Manohana koa ny Jica amin’ny fandrafetana paikady hikojakojana ny lalana mba haharitra.
Miara-mientana amin’ny sehatra tsy miankina ny fitantanana foibe ny hetra (DGI) sy ny ao amin’ny ladoany (DGD). Tanjona ny hampirisihina ny mpandraharaha tsy miankina handoa hetra ara-dalàna sady hanatsarana ny kalitaon’ny fisavana ara-ketra. Nisy ny fiaraha-midiniky ny telo tonta nijerena ny fanavaozana tokony hatao maika sy lavitr’ezaka.
Manomboka androany ka hatramin’ny alahady izao, ny tsenabe iraisam-pirenena momba ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (FIA), atao eny amin’ny Parcs des Forello Expos Tanjombato. Hita eny an-toerana avokoa ireo vokatra mampiavaka ireo mpandraharaha manerana ny Nosy. Antoka ho an’ny fahitana lalam-barotra samihafa ny hetsika toy izao.
Notokanana sy nasiam-panavaozana ny “site touristique” Lokaro ao amin’ny faritra Anosy. Nametrahana fotodrafitrasa samihafa ny toerana hisarihina ireo mpitsidika. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa Pic. Miavaka i Lokaro noho ny fananany ireo torapasika tsara indrindra any an-toerana.

Partager sur: