Fondation H Ambatomena : vehivavy mpanakanto sangany telo hiray sehatra

Fampisehoana anisan’ny hiavaka sy maro mpiandry ity hatao eny amin’ny Fondation H Ambatomena ity. Vehivavy mpanakanto telo, samy sangany amin’ny zavakantony avy no hamondrona ho iray izany.

Hotanterahina ny 20 septambra 2024, eny amin’ ny Fondation H Amba­tomena, ny seho an-tsehatra «Injay !». Fampisehoana haisoratra sy mozika narindran’i Christiane Ramanantsoa an-tsehatra izy ity. I Fanja An­driamanantena sy i Michèle Rakotoson ary i Christiane Ramanantsoa no hiaraka hisalahy amin’ny fanatontosana izany. Anisan’ny tanjon’ny mpikarakara ny hampiray sehatra ireto andrarezin’ny kanto malagasy ireto, ankoatra ny fanomezana fahafaham-po ny mpankafy zavakanto malagasy. Ity hetsika ity izay tafiditra ao anatin’ny dingana faharoan’ny fampiratiana “‘Memoria : récits d’une autre Histoire”.
“Injay !”. Io no lohatenin’ny hetsika iarahan’izy telo mirahavavy an-tsehatra. Injay tokoa fa tonga ilay fotoana, izay nosokajian’ny rehetra ho nofy ihany ny hahita ireo andriambavilanitra samy ma­nana ny maha izy azy eo amin’ny haikanto iangaliany ireto. Haisoratr’i Michèle Rakotoson no haseho an-tsehatra amin’
ny alalan’ny teatra, izay harindran’i Christiane Ramanan­tsoa, ary larona sy haingona amin’ny alalan’ny hiran’i Fanja Andriamanantena. Seho miavaka sy tsy mbola nisy ha­tramin’izay, araka izany, ity “Injay !” ity.

Samy andrarezina…
Fanja Andriamanantena, izay Malagasy mpihira sy mpamoron-kira, manana ny maha izy azy. Anisan’ireo hirany nalaza ny “Hiran’ny fo”, “Foinao ho ahy” ary “Feo roa”. I Michèle Rakotoson kosa mpanoratra sy mpamorona tantara sangany eto Mada­gasikara ary efa nandrombaka amboara tamina fifaninana lehibe tany ivelany. Anisan’ny amboara azony ny “Prix Orange de Livre d’Afrique” (POLA 2023). Andrarezin’ny teatra malagasy kosa no hahafantaran’ny maro an’i Christiane Ramanantsoa, ankoatran’ny maha mpanoratra azy. Izy izay nanorina ny Compagnie Miangaly Théatre, anisan’ny manana ny maha izy azy ankehitriny.

Lin

Partager sur: