Mila mifampiteny… : Simbain’ny « zavakanto » ny soatoavina

Tsy mifanalavitra fa mifameno ! Tsy kanto ny zavakanto raha tsy manaja ny soatoavina. Famaritana faran’izay tsotra. Ny soatoavina malagasy, manaja raiamandreny, olom-pady. Misy amin’ny «zavakanto» sasany, anefa, mampiseho endrika mifanohitra amin’ireo. Dihy tsy fampiseho masoandro. Sary sokitra maneho endrika miboridana, mamoafady… Simba ny soatoavina. Mahavariana, anefa, fa mbola misy ihany ny manizingizina fa «zavakanto» ny tahaka ireny. Samy manana ny kantony, hono. Izany hoe, samy manana ny soatoaviny ihany koa, raha io no hiaingana.
Ireo tranga ireo no manamafy fa «harena ny fahasamihafana». Mety misy tsy miraika amin’ny fampandihizana ny «tapany ambany» (araka ny tononkalon-dRado). Tsy azo hadinoina ihany koa anefa fa miteraka rikoriko ho an’ny hafa ny fanaovana izany.
Raha tiana tsy ho simba ny soatoavina malagasy, mila mifampiteny sy mifanaja ny samy Malagasy. Tahaka izany koa ny «zavakanto» atolotra ho sakafon’ny saina amam-panahin’ny Malagasy. Mila omena ny sahaza azy ny tsirairay !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: