Mivelatra amin’ny sehatra maro. Raha toa ka ny lafiny zavakanto sy kolontsaina no nahafantarana ny Haigasy tany am-boalohany, efa misokatra amin’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny, ny fanabeazana, ny fanatanjahantena ary ny fizahantany ny fikambanana amin’izao fotoana izao. Tsy vitan’izay fa mijoro ho mpanampy ireo zokiolona sy ireo marefo ary miaro ireo iharan’ny tsindrio fa lavo sy ny hetraketraka tsy ara-drariny, ny fikambanana.
Tontosa teny Talatan’i Volonondry, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny faha-10 taonanan’ity fikambanana eny Avaradrano ity. Natomboka tamin’ny ady hiragasy makotrokotroka, nifanandrinan-dry Rasoasimanga Berthine Ambohimandroso sy ry Rakotomandimby Jean Pierre Morarano Gare izany. Nandritra ny kabary nifandimbiasana no nanoloran’ny filohan’ny Antenimierandoholona izay sady ray mpiahy ny fankalazana, ny jeneraly Ravalomanana Richard, ny lelavola mitentina 2 tapitrisa Ariary, ho fanampiana ny fikambanana Haigasy amin’ny asa tanterahany.
“Fanombohana ihany iny, fa mbola maro ireo hetsika hotontosainay hatramin’io taona ho avy io”, hoy i Faly Haigasy, mpandrindra ankapobeny ny fikambanana. Hontontosaina ny volana oktobra ny ivon’ny fankalazana ny faha-10 taona.
Zo ny Aina