Tratra teo am-pibatana ny panneau solaire avy nangalariny indray ny jiolahy iray mpamerin-keloka teny Ankadindratombo, afakomaly. Vao nivoaka ny fonja izy kanjo niverina nanohy ny asa ratsiny indray…
Tsy mety fay sa maivana loatra ny sazy ? Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Alasora, afakomaly, indray ny jiolahy iray raindahiny amin’ny vaky trano. Araka ny tatitra nampitain’ny zandary, namaky trano tao Miadana kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano ity jiolahy ity ny 8 septambra 2024 teo. Tafaporitsaka tampoka anefa izy rehefa nahazo vola mitentina 8 hetsy Ar sy Radio. Niantso vonjy ny fokonolona teo amin’ny manodidina taorian’io vaky trano nataony io. Tsy nionona tamin’izay fa mbola nitohy ihany ny asa ratsiny. Voasambotra teo am-panaovana ny asa ratsiny nangalatra panneau solaire teny Ankadindratombo indray izy, afakomaly. Tsy afa-bela intsony izy tamin’ity satria noraisim-potsiny niaraka tamin’ireo entana halatra. Tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny zandary no nahafantarana fa vao namita sazy enim-bola tany an-tranomaizina ity jiolahy ity. Ny volana avrily 2024 teo izy no nivoaka ny fonja. Tsy nahay nifitsaka fa izao niverina nanohy ny fomba ratsiny izao indray. Naverina eny am-ponja izy rehefa avy natolotra ny fampanoavana.
J.C