Mirongatra ny haintrano amin’ny tanàna maro manerana ny Nosy. Maro ireo lasibatra sy rava fananana anatin’ny indray mipi-maso. Lasa lavenona ny fihariana tanatin’ny taona maro. Foana avokoa ny an-tanana.
Matetika nefa, tsy manana tahiry na antoka ny lasibatra. Fadiranovana anaty vanim-potoan’ny maitsoahitra. Izay indrindra no olana ho an-dRamalagasy. Tsy anatin’ny kolontsaina ny mametraka fiantohana. Ny hoenti-manana rahateo tsy misy, hanaovana izany.
Ankoatra izay, mahahontsa ny mahita ny vohitra mivalomainty. Mirongatra ny doro tanety. Raha mizotra mianavaratra, vao ao anatin’ny distrikan’Ankazobe izany dia mibaribary ny fandorana tanindrazana. Tsy hay mazava izay antony fa may i Tampoketsa.
Efa miezaka ny minisiteran’ny Tontolo iainana amin’ny fisorohana. Lesoka hita fa tsy ampy ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony. Mbola latsaka ambany ny tahan’ny fanentanana sy ny politika momba ny aroafo.
Tranga tsy tokony hilana na hiandrasana ny fidirana an-tsehatry ny fanjakana foibe izany. Ny tsirairay miova toe-tsaina dia ampy hitondra anjara biriky lehibe. Tari-dalana no takina amin’izay afaka manao izay. Tsy tokony ho sakana ny resa-bola na ny hoenti-manana. Finiavana no tena andrandraina.
r.r