Handball – Mada 2024 : hiatrika ny CCOI ireo klioba roa voalohany

Handray fifanintsanana iraisam-pirenena indray i Madagasikara, ny volana novambra ho avy io, amin’ny taranja Handball. Mialoha izany, hisy ny fifaninanana nasionaly hahafantarana izay hisolontena an’i Madagasikara amin’izany

Hotontosaina etsy amin’ny kianja Ankoay Ankorondrano, ny 20 – 26 oktobra ho avy io, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy Seniors, lahy sy vavy. Araka ny fanazavana voaray omaly, teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Handball (FMH), hisolontena an’i Madagasikara amin’ny fifanintsanan’ny Nosy, CCOI, izay tompondaka sy laharana faharoa, mandritra ity fifaninanana nasionaly ity.
Tsara marihina fa hampiantrano ny lalao CCOI indray i Madagasikara, ny 14 hatramin’ny 23 novambra ho avy izao. Tsara ny mampahatsiahy fa efa notanterahina teto Antananarivo, ny volana jolay lasa teo, ny CCOI 2023. Ity hetsika ity, izay tokony ho natao tany Maurice, saingy noho ny olana nisy tany an-toerana, nafindra teto Mada­gasikara izany.
Tsara ny mampahafantatra fa ny klioban’ny THBC Madagasikara no nandrombaka ny amboara ho an’ny vehivavy ary ny CH Combani Mayotte, ho an’ny lehilahy.
Ankoatra izay, nilaza ny federasiona fa efa misokatra ny fanaovana “mutation”, ary hifarana ny 10 oktobra ho avy izao izany.
Hatao ny 19 oktobra ny fivoriana ara-teknika ho an’ireo klioba handray anjara.

Tokony tany Toamasina
Noho ny antony maro, voatery nafindra eto Antananarivo ny fifaninanam-pirenena 2024. Tsiahivina fa tokony hatao any Toamasina ity fifanintsanana nasionaly ity. Nilaza ny mpampita vaovao iray avy eo anivon’ny FMH fa anisan’ny antony iray tsy nanaovana azy any Toamasina ny tsy mbola fahavitan’ny kianja mitafo any an-toerana.

Fitia Randria

Partager sur: