Hotontosaina any Antsirabe, ny 27 hatramin’ny 29 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe, lalaovin’olona telo, lahy sy vavy. Araka ny vaovao voaray, hiatrika ny fifanintsanan’ny Nosy izay klioba mahazo ny laharana voalohany amin’izany.
Hifanandrina amin’ny ekipan’Atsinanana Rugby, ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka, ny CEA Andranomanalina. Ity lalao ity izay tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara « XXL Top 20 », diviziona faharoa federaly II. Tsiahivina fa izay roa voalohany amin’ity no miakatra Top 12.
Araka ny fikarohana natao omaly, efa mamarana ny asa rehetra amin’ny fanamboarana ny Kianja independance any Gambia, ny minisitry ny Fanatanjahatena any an-toerana. Miandry ny fandalovan’ny Caf izy ireo. Raha ankatoavin’ny Caf ity kianja ity, ao no hatao ny lalao mandroso hihaonan’i Madagasikara sy i Gambia.
Efa niatrika ny fanazarantena niaraka tamin’ny ekipan’ny Real Madrid Espagne, i Kylian Mbappé, frantsay mpilalao baolina kitra. Tsiahivina fa avy niatrika ny lalao niaraka tamin’i France ny tenany. Rahampitso, hifanandrina amin’ny Real Sociedad, ny klioban’ny Real Madrid. Mitana ny laharana faharoa moa izy ireo amin’ny Liga.